Oviana Marina no Volana sy Daty Nahaterahan'i Kristy?

Ny ankamaroan’ny fiangonana dia mankalaza ny Noely na Krismasy (25 Desambra), izay lazaina fa tsingerintaona nahaterahan’i Kristy.
Nefa ny Baiboly dia tsy milaza mazava ny fotoana nahaterahan’i Jesosy Kristy. Ny fantatra dia voalaza fa tenin’Andriamanitra Izy no natao tonga nofo (Jaona 1), ary virjina no nanana anaka ka niteraka Azy. Ny voalaza koa dia zanak’Andriamanitra Izy, ary tsy nanendry ny hahatsiarovana na hitandremana ny fotoana nahaterahany. Ny zava-dehibe nomeny dia ny famantarana Azy, izay manambara ny nilevenany telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny tany izany (Matio 12:38-40).

Jesosy Kristy dia nitandrina ny didy sy lalàn’i Jehovah, ary anisan’izany ny Sabata sy ireo Andro Firavoravoana Voatendrin’i Jehovah. Ny tanjon’ity lahatsoratra ity dia ny fanehoana ny vanim-potoana nahaterahan’i Kristy sy ny ifandraisan’izany amin’ny Andro Firavoravoana Tabernakely na Fitoerana An-trano Rantsan-kazo.

Nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo Jesosy Kristy

« Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. » (Jaona 7:14)

Andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo hafitoana io, ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana no niakatra teo an-kianja mba hampianatra Jesosy.

Tsy nisehoseho i Jesosy raha nitandrina ity andro firavoravoana ity satria nikasa hisambotra sy hamono Azy ny Jiosy. Nefa rehefa nisasaka ny herinandro vao nitsangana nankeo an-kianja Izy ka nampianatra.

« Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako. » (Jaona 7:8)

  1. Volana Inona no Teraka i Jesosy?


Andeha harahintsika ny fanazavana mba hahafantarantsika ny fotoana marina nahaterahan’i Jesosy. Nahoana no azo heverina fa io antsasaky ny herinandro Firavoravoana Fitoerana An-trano Rantsa-kazo io no tsingerin-taona nahaterahan’i Jesosy?


Tamin’ny vanim-potoana nahaterahan’i Jaona mpanao batisa dia Zakaria (rain’i Jaona mpanao batisa) no nanao ny asa fisoronana. Isan’ny antokon’i Abia izy.

« Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka* tamintsika tokoa [*Na: inoana tokoa amintsika] » (Lioka 1:1)
« araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory* ny teny hatramin'ny voalohany:[*Gr. mpanompo] » (Lioka 1:2)
« dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra*,[*Gr. mahery indrindra; teny fanajana ny lehibe izany] » (Lioka 1:3)
« mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao. » (Lioka 1:4)
« Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany. » (Lioka 1:5)


Araka ny 1 Tantara 24, Davida dia nanao filokana hizarana ny taranak’i Arona ho mpisorona 24 (efatra amby roapolo) toko. Ny antoko iray dia manao asa fisoronana mandritra ny roa herinandro. Rehefa tapitra ny taona iray dia ho nahavita ny asa fisoronany avokoa ny antoko rehetra. Ny loka fahavalo no anjaran’i Abia.


« Ny loka voalohany dia azon'i Joariba, ny faharoa an'i Jedaia, » (1 Tantara 24:7)
« ny fahatelo an'i Harima, ny fahefatra an'i Seorima, » (1 Tantara 24:8)
« ny fahadimy an'i Malkia, ny fahenina an'i Miamina, » (1 Tantara 24:9)
« ny fahafito an'i Hakoza, ny fahavalo an'i Abia, » (1 Tantara 24:10)
« ny fahasivy an'i Jesoa, ny fahafolo an'i Sekania. » (1 Tantara 24:11)
« ny fahiraika ambin'ny folo an'i Eliasiba, ny faharoa ambin'ny folo an'i Jakima, » (1 Tantara 24:12)
« ny fahatelo ambin'ny folo an'i Hopa, ny fahefatra ambin'ny folo an'i Jesebaba, » (1 Tantara 24:13)
« ny fahadimy ambin'ny folo an'i Bilga, ny fahenina ambin'ny folo an'Imera, » (1 Tantara 24:14)
« ny fahafito ambin'ny folo an'i Hezira, ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hafizeza, » (1 Tantara 24:15)
« ny fahasivy ambin'ny folo an'i Petahia, ny faharoa-polo an'i Jehezekela, » (1 Tantara 24:16)
« ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola, » (1 Tantara 24:17)
« ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia. » (1 Tantara 24:18)


Oviana no tokony manomboka ny asa fisoronan’i antokon’i Abia?

Ny volana Nisana na Abiba no voaloham-bolana araka ny fanisam-potoana voatendrin’i Jehovah (calendrier sacré de Dieu).

« [Ny Paska, sy ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: » (Eksodosy 12:1)
« Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy. » (Eksodosy 12:2)


Ny fitsinjarana ny asa fisoronana dia nozaraina ho volana iray ho an’ny antoko anankiroa;

ka toy izao izany:

VOLANA

Andro faha 1 - 15

Andro faha 16 - 30

  1. Nisana (Abiba): Loka No. 1 - 2 [Mars-Apr]

Antokon’i Joariba

Antokon’i Jedaia

  1. Ziva (Lyar): Loka No. 3 - 4 [May-Jona]

Antokon’i Harima

Antokon’i Seorima

  1. Sivana: Loka No. 5 - 6

Antokon’i Malkia

Antokon’i Miamina

  1. Tammuz: Loka No. 7 - 8 [Jona-Jolay]

Antokon’i Hakoza

Antokon’i Abia

  1. Av: Loka No. 9 - 10 [Jolay-Aug]

Antokon’i Jesoa

Antokon’i Sekania

  1. Elola: Loka No. 11 - 12  [Aug-Sep]

Antokon’i Eliasiba

Antokon’i Jakima

  1. Etanima (Tishri): Loka No. 13 - 14  [Sep-Okt]

Antokon’i Hopa

Antokon’i Jesebaba

  1. Bola: Loka No. 15 - 16  [Okt-Nov]

Antokon’i Bilga

Antokon’i Imera

  1. Kisleva: Loka No. 17 - 18 [Nov-Des]

Antokon’i Hezira

Antokon’i Hafizeza

  1. Tebeta: Loka No. 19 - 20 [Des-Jan]

Antokon’i Petahia

Antokon’i Jehezekela

  1. Sebata: Loka No. 21 - 22 [Jan-Feb]

Antokon’i Jakina

Antokon’i Gamola

  1. Adara: Loka No. 23 - 24 [Feb-Mars]

Antokon’i Delaia

Antokon’i Mazia


Ny volana Tammuz, izay volana fahefatra no nanao asa fisoronana ny antokon’i Abia. Ny volana Tammuz dia eo anelanelan’ny Jona sy Jolay raha ampitahaina amin’ny fanisam-potoana Gregoriana izay ampiasaintsika ankehitriny.

Ary rehefa tapitra ny asa fanompoany dia nody tany an-tranony Zakaria. (Izany hoe tokony ho faramparan’ny volana Tammuz, mifanandrify amin’ny volana Jolay).

Rehefa nody izy dia nitoe-jaza taminy Elizabeta vadiny. Ny vadiny nefa dia vehivavy efa nitsaha-jaza. Andeha hijerentsika ny Soratra Masina:

« Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. » (Lioka 1:31)

« Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy; » (Lioka 1:32)

« ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. » (Lioka 1:33)

« Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho? » (Lioka 1:34)

« Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka* dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.[*Na: haterakao] » (Lioka 1:35)

« Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba. » (Lioka 1:36)

« Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra. » (Lioka 1:37)

Rehefa tonga ny anjara fisoronan’ny antoko nisy an’i Zakaria dia nanao ny raharaham-pisorona teo anatrehan’Andriamanitra, araka ny anjara filokana voatendry ho azy.

Tamin’izany indrindra no nisehoan’ny anjely taminy.

Nilaza tamin’i Zakaria ilay anjely fa efa nohenoin’Andriamanitra ny fangatahany ka hiteraka zazalahy izy.

Nahagaga ary tsy nampino an’i Zakaria ny filazan’ny anjely izay nilaza taminy fa hitoe-jaza ny vadiny izay efa antitra sy nitsaha-jaza.

Tonga moana i Zakaria mba ho famantarana ho azy ny amin’ny filazana nataon’ny anjely taminy. Andeha hovakiana ny tantara:

« Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony, » (Lioka 1:8)
« araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra. » (Lioka 1:9)
« Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra. » (Lioka 1:10)
« Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra. » (Lioka 1:11)
« Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra. » (Lioka 1:12)
« Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany. » (Lioka 1:13)
« Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany. » (Lioka 1:14)
« Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza. » (Lioka 1:15)
« Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny. » (Lioka 1:16)
« Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tompo (Mal. 3. 23, 24). » (Lioka 1:17)

Inona no nahatonga an’i Zakaria ho moana?



« Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko. » (Lioka 1:18)

« Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany. » (Lioka 1:19)

« Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany. » (Lioka 1:20)

« Ary ny olona dia niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly. » (Lioka 1:21)

« Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany. » (Lioka 1:22)

« Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy. » (Lioka 1:23)

« Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany. » (Lioka 1:62)

Oviana no fotoana nahaterahan’i Jaona sy Jesosy?

Rehefa nitoe-jaza Elizabeta vadin’i Zakaria, dia niery dimy volana (volana Av [Jolay-Aug] hatramin’ny volana Kislev [Nov-Des]).

Tamin’ny volana fahenina kosa dia nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela hilaza amin’i Maria ny amin’ny hananany anaka sy ny hiterahany zazalahy atao hoe Jesosy.

Raha sivy volana no mitondra vohoka ny vehivavy dia ny volana Tammuz hatramin’ny Nisana ( izany hoe eo nanomboka ny Jolay hatramin’ny Martsa) no nitondra vohoka i Elizabeta.

Noho izany, volana Nisana (na Abiba, anelanelan’ny [Martsa - Aprily]) no tokony ho nahaterahan’i Jaona mpanao batisa.

Araka ny voalaza manaraka dia misy enim-bolana ny elanelan’ny taona eo amin’i Jaona sy Jesosy.

« Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe: » (Lioka 1:24)
« Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona. » (Lioka 1:25)
« Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, » (Lioka 1:26)
« ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria. » (Lioka 1:27)
« Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao*.[*Ampio hoe: voatahy samy vehivavy ianao] » (Lioka 1:28)
« Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. » (Lioka 1:29)
« Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao. » (Lioka 1:30)
« Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. » (Lioka 1:31)

Raha toa àry ka lazaina fa tamin’ny volana Nisana (na Abiba, volana voalohany, [Mars - Apr]) no nahaterahan’i Jaona, dia manisà volana enina aorian’io fotoana io, ary eo no hahafantarana ny fotoana nahaterahan’i Jesosy.

Ny volana Etanima (na Tishri, volana fahafito, [Sep - Okt]) no volana fahenina isaina aorian’ny volana Abiba.

Noho izany, ny fotoana nahaterahan’i Jesosy, dia ny volana Etanima (Tishri), satria misy enim-bolana no elanelan-taonan’i Jaona sy Jesosy.

Izany hoe, tamin’ny volana Abiba no nahaterahan’i Jaona, ary Jesosy kosa dia teraka tamin’ny volana Etanima.

II. Andro Inona no Teraka i Jesosy?



Eto dia hojerentsika ny ifandraisan’ny vanim-potoana nahaterahan’i Kristy sy ny ifandraisan’izany amin’ny Andro Firavoravoana Tabernakely na Fitoerana An-trano Rantsan-kazo.

(Manorata aminay raha mahaliana anao ny hahafantatra izany. )