Ireo fety masin'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao

FANKALAZANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOANTENDRY AO AMIN’NY TESTAMENTA VAOVAO

  • Nanatrika ireny Fotoam-pivavahana notendren’i Jehovah rehetra ireny foana i Jesosy Kristy sy Jehovah Andriamanitra Ray
  • Ny Ray dia nanatrika sy nampahery an’i Jesosy Kristy teo am-panatanterahany ny dingam-pamonjena tsirairay avy, toy ny Paska, sy ny Pentekosta (tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina).

 Fony mbola zaza Jesosy dia nitandrina ny Fotoam-pivavahana voatendry (Fivoriana masina) niaraka tamin’ny fianakaviany. « Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin'ny Paska. » (Lio 2:41). Tamin’io Fety isan-taona io indrindra Izy, fony 12 taona, no niady hevitra tamin’ny mpampianatra (and 42-48). Nampitolagaga ny mpitondra fivavahana ny fahalalany sy ny faharanitan-tsainy.

Ny Filazantsaran’i Jaona dia mampiseho fa nandritra ny taona nitoriany dia mbola nitandrina ireo andro masina ireo hatrany Jesosy; (Jao 2:23; 4:45). Na dia notadiavin’ny lohan’ny fiangonana ho vonoina aza Izy dia mbola niakatra tany Jerosalema ihany nandritry ny Fetin’ny Tabernakely sy ny Fara-fivoriana – na hahafaty Aza izany (Jao 7:1-2, 7-10, 14).

Izao no toriteny nataony: « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana (Fara-fivoriana), dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » (Jao 7:37) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jao 7:38) « Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] » (Jao 7:37-39)

Ny ankamaroan’ny Fiangonana milaza ho kristiana dia mampianatra fa novan’i Paoly tanteraka ny fivavahana kristiana. Heverin’izy ireo fa nampianatra ny Jentilisa niova ho kristiana Paoly, ka nilaza hoe tsy ilaina intsony ny fitandremana ireo andro firavoravoana voatendrin’i Jehovah ireo. 
Ekena fa saro-patarina ny soratr’i Paoly (2 Pet 3:15), nefa Paoly dia nanamafy hoe: “Manahafa ahy tahaka ny anahafako an’i Kristy”, ary Kristy dia tsy nanafoana ireo fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah ireo fa nanaja azy tanteraka.

Ao amin’ny 1Kor 11:1-2 sy 23-24 dia izao no nambaran’i Paoly: 1 « Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy. » 2 « Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo. » 23 « Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, » 24 « ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina] »

 Raha tsy zatra nitandrina ny Andro Masina izy dia tsy mitombina ireo fampianarana nomeny ny Jiosy sy ny Jentilisa tany Korinto ireo. 

  • Tsy misy toko sy andininy ao amin’ny Soratra Masina manaporofo fa Paoly dia nitady handresy lahatra na iza na iza mba tsy hitandrina ny Andro Masin’Andriamanitra. 
  • Mifanohitra amin’izany aza fa tsy ho azony eritreretina mihitsy ny toy izany (Asa 24:12-14; 25:7-8; 28:17).

 Ny fandinihana ny Baiboly dia ahatsapana fa imbetsaka Paoly no nankalaza ireo Fetin’Andriamanitra ireo, satria noheveriny ho zava-dehibe teo amin’ny fiainany izany. Ny Asa 20:16 sy 1Kor 16:8 dia ahitana fa nandamina ny diany i Paoly mba hahazoany mankalaza ny Pentekosta amin’ny toerana voatokana iray. 

  • Eo amin’ny Asa 27:9, i Lioka, ilay mpiara-dia amin’i Paoly, dia mitantara fety iray antsoiny hoe fifadian-kanina, izay tsy hafa fa Fetin’ny Andro Fanavotana« Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana*, dia nananatra azy Paoly [* Ny Andro Fanavotana izany] » (Asa 27:9)

 Eo amin’ny 1Kor 5:8, mandritry ny fitandremana ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira, Paoly dia mampianatra hitandrina izany miaraka amin’ny heviny ara-panahiny, dia ny fialana amin’ny faharatsiana isankarazany mandritry ny andro maro mifanesy mba hitomboan’ny herim-panahy sy fahamasinana. « ... ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. » (1 Kor 5:8)

 Ny tenin’i Paoly eo amin’ny Kol 2:16-17 dia mampibaribary fa ny Jentilisa niova ho Kristiana dia niara-nitandrina tanteraka ireo fetin’Andriamanitra ireo tamin’ny Jiosy.

Hazavao tsirairay ny teny ao anatin’ny andininy dia mazava izay lazain’i Paoly ho an’ireo Kolosiana, Jentilisa niova ho Kristiana ireo (tsy Jiosy fa nitandrina ny Andro Firavoravoana votendrin’i Jehovah tamin’ny fotoany avy):

Kol 2:16-17. « Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny sabata; » « aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » Izany hoe manambara ny famonjen’i Kristy ireny.

 Mariho fa ny Andro Firavoravoana fahatsiarovana ny Fitsofana Trompetra dia amin’ny voaloham-bolana fahafito no itandremana azy. 

  • Tokony hitandrina  tsara ny fiangonana mba tsy ho diso daty,  fa mba hitandrina amin’ny fotoana marina ireo Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah. 
  • Izany no hatao dia ny ho fanatanterahana ny hevi-panahy izay ambaran’ny Fivoriana Masina, toy ny tamin’ny nandrotsahana ny Fanahy Masina tamin’ireo olona 120 nanatrika ny Pentekosta tany Jerosalema (Asa 1:15). 
  • Toy izany koa no andrasana amin’ny fanangonana ny olom-boafidy amin’ny Fitsofana ny Trompetra Farany, amin’ny fiverenan’i Kristy! (1Kor 15:52). 
  • Noho izany, mitandrema isika fandrao tsy hanatrika izany andro lehibe izany amin'ny fihavian'i Kristy satria efa zatra tsy nitandrina ny Andro Firavoravoana noho ny tsy finoana!

Porofo ireo fa mila mitandrina ireo Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah ireo isika Jentilisa niova ho Kristiana, mba hananantsika anjara amin’izay ambarany, dia ny fanatanterahan’i Jesosy Kristy ny dingam-pamonjena antsika hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.