Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah

Manana Planina misy dingana fito Andriamanitra – toy ny nampahafantarany zavatra sasany mifototra amin’ny isa fito. Hatrany am-boalohany, Andriamanitra dia namorona ny andro fito amin’ny herinandro (Gen 1). 

Ny andro fahafito dia nofidiny ho Sabatany masina (Gen 2:1-3). Taorian’izay dia nanome ny Andro masina fito isan-taona Izy, hampahafantarany ny Planiny sy ny Tanjony ho an’ny zanakolombelona (Lev 23). 

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia hitantsika ny fanoritany ny 
Fiangonana FITO ao amin’ny Apokalypsy (Apo 1:20 ; Apo 2 ; Apo 3). Azontsika vakina koa fa misy ny Tombo-kase FITO, Trompetra FITO, Loza FITO farany, ets. Satria ny isa fito dia mariky ny fahatotontasana na ny fahatanterahana.


Noho izany, raha azontsika, toa tsy misy dikany ny fankalazana Fetin’Andriamanitra fanao isan-taona IRAY IHANY, izay manoritra ny am-pahany iray fotsiny amin’ny Planiny, fa HADINOINA kosa ny sisa. Mba hijerena ankapobeny izay ho hitantsika amin’ny antsipiriany, dia ‘ndeha hodinihina fohy ireo Fetin’Andriamanitra ara-panahy FITO isan-taona, hahazoantsika bebe kokoa ny Planina sy ny TANJONA ambaran’izy ireo.


« Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy: » (Lev 23:2437)

Ireo Fety fito ireo – ny roa aminy maharitra fito andro, ary ny dimy maharitra indray andro ihany – dia misy andro sivy ambin’ny folo isan-taona ny fitambarany. 
Amin’ireo andro sivy ambin’ny folo ireo, ny fito dia fitsaharana manokana na “Sabata”.

« Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » (Lev 23:2)

 « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. » (Lev 23:3)

Ireo Sabata fito isan-taona ireo – izay antsoina hoe koa « Fivoriana Masin’Andriamanitra isan-taona » - na « Andro Masin’Andriamanitra isan-taona », dia ireto avy: 

1. Ny Paska

Andro Faha 14 Nisana, rehefa hariva. Ankalazaintsika manetriketrika ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy nisolo antsika. Ny Baiboly dia miantso izany hoe « Paska ». Io no manamarika ny fankatoavantsika ny tenan’i Kristy torotoro sy ny rany latsaka, izay natolony antsika amin’ny maha Mpamonjy Azy. Tadidio anefa fa dingana voalohany amin’ny Planin’Andriamanitra ihany io!

2. Ny Mofo Tsy Misy Masirasira

Andro Faha 15 hatramin’ny faha 21 Nisana. Misy andro fitsaharana roa: faha 15 sy faha 21 Nisana.

Manaraka izany, tsy maintsy MITOMBO amin’ny
fahasoavana sy fahalalana an’i Jesosy Kristy isika (2 Pet 3:18), ary MANARY any ivelan’ny fiainantsika ny lalantsika taloha sy ny fahazarantsika manota. Izany fahaiza-miaina izay manery antsika « handresy » izany no tantarain’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira.

3. Ny Pentekosta 

 Andro Faha 50 isaina manomboka ny ampitson’ny Sabata ao anatin’ny herinandron’ny Paska. 
Fahatelo, isika rehetra izay mamorona ny Fiangonana nateraky ny Fanahy Masina – ny « ondry vitsy » (Lio 12 :32) – isika dia « santatra » ihany amin’ny vokatra ara-panahy lehibe izay hiseho aorian’ny Fiverenan’i Kristy. 
Noho izany, ny Fety isan-taona fahatelo, ny Fetin’ny Pentekosta na Fetin’ny Voaloham-bokatra, dia mampiseho fa tsy misy afa-tsy vokatra ara-panahy kely ihany, no angonin’Andriamanitra ankehitriny. 

4. Ny Fitsofana Trompetra

Io dia andro Voalohan’ny volana faha 7. (Lev 23:24) dia mampiseho ny FIAFARAN’izao tontolo izao misy fikorontanana lehibe ary koa ny Fiverenan’i Kristy eto an-tany. Ny trompetra ara-bakiteny dia nampiasaina tamin’ny andron’ny Zanak’Isiraely taloha ho tsofina hampiomanana rehefa misy ady. Amin’ny androntsika izao, amin’ny fotoana faratampon’ny ady sy fikorontanana eran-tany, dia hiverina Jesosy Kristy hamonjy, ary hisy fitsanganan’ny maty amin’ny « FITSOFANA NY TROMPETRA FARANY » (1 Kor 15:51-52).

5. Ny Andro Fanavotana

andro Faha 10 amin’ny volana faha 7. Raha vantany vao tonga ny fiverenan’i Kristy, Satana dia hofatorana sy hatsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, « mba TSY HAMITAKA NY FIRENENA INTSONY ». (Apo 20:3). Noho izany, rehefa voafatotra i Satana, dia afaka « hampihavanina », na “ho tena iray” amin’Andriamanitra ny olona. Izany no tantarain’ny Fety ara-panahy fahadimy – Andro Fanavotana. Maneho ny sorom-panavotana nataon'i Kristy hamonjena ny olona noho ny fahotany, sy ny hanesorana an'i Satana fototry ny ota mba hamonjena ny olona rehetra ny Andro Fanavotana.

    6.  Ny Tabernakely

  Andro Faha 15 hatramin’ny faha 21 amin’ny volana faha 7. Fivoriana masina amin’ny andro faha 15. Aorian’ny fiverenan’i Kristy, Andriamanitra dia handrotsaka ny Fanahy Masina amin’ny olona rehetra, ary hanomboka hanazava ny fahafantarana marina ny Planiny lehibe. 

  Miteny momba izany fotoana izany Izy, ary milaza hoe : « Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina. »

  (Isa 11:9). Izany no ambaran’ny fitandremantsika am-pifaliana ny Fety fahenina amin’ny Planin’Andriamanitra, – Fetin’ny Tabernakely, na «Fetin’ny Famoriam-bokatra » (Eks 34:22).

 Ny tetiandron’ny Fety Masin’Andriamanitra dia mifototra amin’ny fizaran-taona fijinjam-bokatra tany Isiraely. 

  Arak’izay voatondro, izy ireo dia mitantara fijinjam-panahy ho an’Andriamanitra. Amin’ny voalohany, ny vokatra kely dia ambaran’ny Fetin’ny “Santa-bokatra” (Jesosy Kristy) sy ny “Voaloham-bokatra” (Kristiana amin’ny fitsanganana voalohany). Ary amin’ny FARAN’izao andro izao, ny fijinjam-bokatra lehibe amin’ny faran’ny taona dia ambaran’ny « Fetin’ny Tabernakely » (Fanjakana arivo taona).

      7. Ny Fara-Fivoriana

  Andro Faha 22 amin’ny volana faha 7. Izao kosa isika dia tonga amin’ny Fety ara-panahy fahafito sady farany, izay nomen’Andriamanitra ny olony. “Fa inona indray no tsy mbola mahafeno io Planina io?” hoy ny fanontanianao. 

  Aorian’ny fanjakan’i Kristy arivo taona, dia mbola hisy olona AN-DAVITRISANY MARO, maty taloha, izay TSY NANANA MIHINTSY tamin’ny androm-piainany, fotoana NAHAFANTARANY izay kely indrindra momba an’Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ary ny Planin’ny Famonjena. 

  Inona no hanjò ireo olombelona an-davitrisany  “very”  ireo, satria “TSY MISY FIZAHAN-TAVAN’OLONA” amin’Andriamanitra? (Rom 2:11). Ny Fety lehibe fahafito dia manambara ny fotoana izay hanokafan’Andriamanitra VOALOHANY ny fanahin’ireo olombelona ireo – mba hahazoany ny Tenin’Andriamanitra, sy hananany fotoana hisoratan’ny anarany ao amin’ny “bokin’ny fiainana” (Apo 20:11-12 ».

Amin’ny fitandremana io Fety fahafito io izay antsoina hoe « Fara-fivoriana (Lev 23:36) na Andro lehibe farany » (Jao 7:37), no mahafeno ny fahalalantsika ny sarin’ny PLANINA nataon’ny Mpamorona hidiran’ny olombelona ao amin’ny Fianakaviany na Fanjakany. Ny fanatanterahana ny dingana rehetra amin’io Planina io dia manomboka amin’ny fanekentsika an’i Kristy ho Mpamonjy, ka hatramin’ny fiverenany, ary mitohy hatramin’ny Andro lehibe farany, rehefa manana fotona hahavonjy azy ny olombelona REHETRA.

Raha te handalina momba izany ianao, dia manasa anao hikaroka ny lohahevitra mahaliana anao ao amin'ny ny pejy mirakitra ny toriteny.