Aorian'ny Fanjakana Arivo Taona

Handrotsaka ny Fanahiny amin'ny olona rehetra Andriamanitra

 

Aorian’ny fiverenan’i Kristy, Andriamanitra dia handrotsaka ny Fanahy Masina amin’ny olona rehetra, ary hanomboka hanazava ny fahafantarana marina ny Planiny lehibe amin'ny olona rehetra Izy.

Miteny momba izany fotoana izany Izy, ka milaza hoe : « Ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. » (Isa 11:9).

 

Fanjakana arivo taona sy fitsanganana voalohany ary fijinjam-bokatra lehibe

 

Ny Fanjakana arivo taona no ambaran’ny Fety fahenina amin’ny Planin’Andriamanitra, dia ny Fetin’ny Tabernakely, na « Fetin’ny Famoriam-bokatra » (Eks 34:22). 
Hisy fitsanganana voalohany ho an'ireo izay tsy mba niankohoka teo anoloan'ny bibidia na teo anoloan'ny sariny, ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany. Hiara-manjaka amin'i Jesosy Kristy ireo. Ny maty sisa kosa dia tsy mbola hatsangana. (Apo 20:4-5)
Ny 
tetiandron’ny Fety Masin’Andriamanitra dia mifototra amin’ny fizaran-taona fijinjam-bokatra tany Isiraely. Arak’izay voatondro, izy ireo dia mitantara fijinjam-panahy ho an’Andriamanitra.

  • Tamin’ny voalohany, ny vokatra kely dia ambaran’ny Fetin’ny “Santa-bokatra” (Jesosy Kristy) sy ny “Voaloham-bokatra” (Fitsanganana voalohany ho an'ny Kristianina). 
  • Ary amin’ny faran’izao andro izao, ny fijinjam-bokatra lehibe amin’ny faran’ny taona dia ambaran’ny « Fetin’ny Tabernakely » (Fanjakana arivo taona).

Hianatra hahalala an'Andriamanitra ny olona rehetra

Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny trano-maizina ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra , dia Goga sy Magoga. (Apo 20:7-15)

 

Aorian’ny Fanjakan’i Kristy arivo taona, dia mbola hisy olona andavitrisany maro maty tany aloha tany, izay tsy mba nanana mihitsy, tamin’ny androm-piainany,  fotoana nahafantarany izay kely indrindra momba an’Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ary ny Planin’ny Famonjena.
  
Tsy misy fizahan-tavan'olona" amin’Andriamanitra. (Rom 2:11).

  • Ireo mino an'i Jesosy Kristy no hitoetra ao amin'ny "tobin'ny olona masina" sy ny "tanàna malala."
  • Ary any ivelany no hisy ny osa sy ny tsy mino, ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy, ary ny tia lainga sy ny mpandainga rehetra.  
  • Satana dia hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, ary hanangona azy amin'ny ady. Tahaka ny fasika amin'ny ranomasina no isany.

·            Ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy.

·         Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka.

·         Ary hampijaliana andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo. (Apo 20:7-12) 

Hevitra ara-panahin'ny Fara-Fivoriana

Izao kosa isika dia tonga amin’ny Fety ara-panahy fahafito sady farany, izay nomen’Andriamanitra ny olony.
Izao avy izany no zava-miafina lehibe hitranga amin'ireo Andro Firavoravoana lehibe farany:

 Handray ny Fanahy Masina ireo olombelona mino sy mibebaka.

  • Omena fotoana izy ireo mba hianarany sy hahazoany ny Tenin’ Andriamanitra ary hahalalany an'i Jesosy Kristy, izay Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Izay rehetra mino dia hanana fotoana hisoratany anarana ao amin’ny “Bokin’ny Fiainana” (Apo 20:11-12 »
  • Izay tsy mety mino kosa no hiharan'ny fahafatesana faharoa.

Ny finoana sy fanekena an'i Jesosy ho Mpamonjy

Amin’ny fitandremana io Fety fahafito io izay antsoina hoe « Fara-fivoriana (Lev 23:36) na Andro lehibe farany » (Jao 7:37), no maha-feno ny fahalalantsika ny sarin’ny planina nataon’ny Mpamorona hidiran’ny olombelona ao amin’ny Fianakaviany na Fanjakany. Ny fanatanterahana ny dingana rehetra amin’io Planina io dia manomboka amin’ny fanekentsika an’i Kristy ho Mpamonjy, ka hatramin’ny fiverenany, ary mitohy hatramin’ny Andro lehibe farany, rehefa manana fotona hahavonjy azy ny olombelona rehetra.