Manatrika foana Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOATENDRIN’I JEHOVAH

Natao ho an’iza ireo Fotoa-pivavahana notendrin’i Jehovah?
Manatrika eo va Jehovah amin’ny fotoana itandremana azy?
Mbola manan-kery ankehitriny ve ny fitandremana azy amin’ny fotoany avy?
Sa ve tsy ilaina intsony ny mitandrina ireo Andro Firavoravoana satria ”aloka ireny fa tsy ny tena izy”?
Mirakitra inona moa izy ireo?
Jesosy va no manatanteraka izay raketiny?
Nefa tsy hampianatra ireo lalàna mandrakizay ireo koa va ny olom-boafidy amin’ny Fanjakana arivo taona?
Ny olona mahay no fidina hampianatra! Koa mahay ve ianao?

« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. » (Salamo 34:8)
Raha hanandrana ny hatsaran’i Jehovah ihany, tsy aleo ve ny Fivoriana Masina nodidiany ho mandrakizay?

Misy 
lalàna tokony hofantarina sy harahina ny amin'ny fanamasinana ireo Fotoa-pivavahana notendren’i Jehovah.
Misy ny tsara ho fantatra momba ny fitandremana ny andro voatendrin'i Jehovah 
ankehitriny.
Tsara raha jerena amin'ny ankapobeny ireo Andro Firavoraroana voatendry sy ny hevi-panahin'izy ireny.
Nankalaza ireo andro firavoravoana voatendry ny 
Apostoly araka ny voalazan'ny Testamenta Vaovao.
Manatrika ny olony Jehovah mandritry ny fitandremana ireo andro firavoravoana voatendry rehetra.

Jery ankapobeny

Ny ankamaroan’ireo milaza ho Kristiana dia mitandrina izay antsoiny hoe « Fanasan’ny Tompo », « Lamesa », « Eokaristia », na izay fanao mitovy amin’izany, mitarika ho amin’ny fizarana ny mofo sy ny divay izay manamarika ny sorona nataon’i Kristy.

Vitsy amin’izy ireo anefa no mahazo ny antony anaovany izany, sady samy hafa koa ny fanatanterahany azy araka ny antokom-pivavahana (anara-piangonana) arahiny.

Io fomba fanao io dia fahatsiarovana ny DINGANA VOALOHANY IHANY amin’ny Planin’Andriamanitra.

Ho an’ny ankabeazan’ny Kristiana, ireo dingana hafa rehetra dia tena tsy jerena akory, koa noho izany dia tena tsy azony izay dikany.

Ny marina dia izao, mivavaka amin’ny andriamani-tsi-izy sy Kristy sandoka ireo fiangonana ireo, ary izany no manosika ny olona hino sy hanaiky filazantsara diso, izay mifanohitra mivantana amin’ny hafatra marina notorin’i Jesosy Kristy sy ny Apostoly!

Ireo Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah ireo dia sarin’ny Planin’Andriamanitra tokoa. Ny fetim-pivavahana hafa avy amin’ny fanompoan-tsampy, izay nampidirin’i Satana tamin-kasomparana sy fitaka ao amin’ny fiangonana dia mahatonga ny marina ho takona ary tena somonga ratsy mihitsy.
Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba no nandidy ireo Fivoriana masina ireo

« Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Isiraely); … izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby. » (Eks 3: 6, 15)

Raha Jehovah Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba no nandidy ireo firavoravoana masina ireo ho mandrakizay, mba Andriamanitra iza kosa no ivavahan’ny Kristiana tsy mankatò hankalaza izany?

Io Jehovah io koa anefa dia Andriamanitry ny firenen-tsamy hafa, fa tsy an’ny Isiraely ara-bakiteny ihany, araka ny vaoasoratra hoe: « Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? » (Jer 32:27)

Natao ho an'ny Zanak'Isiraely  ara-panahy ny planin'ny famonjena

Amin’ny ara-pinoana, vao maika nohamafisina fa izay an’i Kristy dia taranak’i Abrahama, koa dia natao ho antsika Zanak’Isiraely ara-panahy mihitsy koa ny Fotoam-pivavahana voatendry, izay hantsoina ho fivoriana masina na andro fivavahana, toy ny Sabata fitsaharana, amin’ny fotoany avy.

« Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama. » (Gal 3:7) « Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. » (Gal 3:26) « Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. » (Gal 3:29)

Ny teny fikasana dia fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty sy fandovana fiainanana mandrakizay, hanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy eto an-tany.

"Sabata Lehibe"

Sabata lehibe ny Fotoam-pivavahana voatendry, izay notandremana taty amin’ny Testamenta Vaovao avokoa (Jao 19:31):

« Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany. »
(Jao 19:31)

Ny tena marina dia izao: TSY EO AM-PANANDRAMANA « mamonjy » izao tontolo izao Andriamanitra ankehitriny.

Fa raha izany fanandramana izany no ataony, dia olona tsy mino AN-DAVITRISANY maro, efa maty hatramin’ny elabe, ary koa betsaka toy izany, mbola velona ankehitriny any Chine, Inde sy any amin’ny firenen-kafa maro, no tsy hahafantatra velively an’Andriamanitra marina, na hankatò ny Zanany ho Tompo sy Mpamonjy !

MANATRIKA ANTSIKA FOANA JEHOVAH AMIN’NY FOTOANA FIVORIANA MASINA REHETRA

Nanolotra ny Andro Firavoravoana ho lalàna mandrakizay tamin’ny Zanak’Isiraely tany Egypta sy tany an’efitra Jehovah, ary mbola nanamafy izany koa tao amin’ny Testamenta Taloha.
Nohazavainy tamin'ny antsipirihany ny zavatra rehetra izay tsy maintsy hataon'ny olony mandritry ny fitandremana ireo Fivoriana Masina rehetra.
Nefa kosa Izy dia tsy mbola nampahafantatra ny hevi-panahin' ireny Andro Firavoravoana ireny.
Nomeny tamin’ny endrika faminaniana ny zavatra ho avy ireny Andro Firavoravoana ireny.
Ny fankatoavana ny Lalàna nodidiany no antoka nanomezany ny fitahiana ho an'ny zanak' Israely sy ny olony.
Aloky ny zavatra ho avy no ilazan’ny Apostoly Paoly ireo Andro Firavoravoana voatendry.

Ny zavatra ho avy dia ny fahatanterahan’ny hevi-panahin'ireo Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah.

Dingam-pamonjena hahatafidiran'ny olona ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fitandremana ireo Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah. Tanteraka amin’ny alalan’ny famonjena nataon’i Jesosy Kirsty sy ny finoana Azy izany dingam-pamonjena izany.

Ny fampifandraisana ny hevitra ara-bakitenin'ny Andro Firavoravoana sy hevi-panahin’ny dingam-pamonjena, izay tanteraka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, no hahazoana mazava tsara ny fomba fitandremana ireo andro masina ireo ankehitriny.

Araho ny fanazavana ny hevi-panahy sy dingam-pamonjena rehetra, ary araho koa ny fanomanana ny andro firavoravoana tsirairay avy ao amin’ny Toriteny.

Hamafisina hatrany fa manatrika foana ny fotoam-pivavahana sy fivoriana masina rehetra Jehovah Andriamanitra.