Fehiny

Natao ho Lalàna Mandrakizay Ireo Andro Firavoravoana Voatendrin"i Jehovah

Fihetsika manao ahoana no tian’Andriamanitra hataontsika amin’ireo Fotoam-pivavahana notendreny ireo?

Izao no baiko fototra:

« Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy » (Miverina in-3 ao amin’ny Lev 23).

Fotoana voatondro isan-taona ireo, ary ivoriantsika miaraka amin’ireo mpiray fanantenana.

Tamin’ny andron’i Nehemia, dia nila nampaherezina ny olona satria nanao tsinontsinona ny Fotoam-pivavahana izy.

Ny boky Nehemia 8 dia manambara ny fomba nitandreman’ny olon’Andriamanitra ny Fetin’ny Trompetra. Tamin’ny fivoriam-bavaka nataon’izy ireo, ny mpitarika dia nanampy ny olona hahazo tsara ny lalàna, araka izao hita izao:
(Neh 8:2, 7-8) « Dia nentin'i Ezra mpisorona ny lalàna tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito ho eo anatrehan'ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin'izay rehetra efa mahahaino. »
(Neh 8:7) « Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin'izay nitoerany ihany. »
(Neh 8:8) « Dia novakiny mazava ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon'ny olona tsara ny teny novakina. »
« Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin'ny lalàna. » (Neh 8:9)
« Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo. » (Neh 8:10)

Tahaka ny fanao isan-kerinandro amin’ny Sabata, Jehovah Andriamanitra dia nandidy fotoam-pivavahana isak’ireo Andro Masina notendreny isan-taona ireo.

Ny Mpamorona antsika dia tia izay olona mino Azy sy manaraka ny didiny rehetra an-tsitrapo (Isa 66:2). Ny marina dia izao: na isika tena mino na tsy mino an’Andriamanitra
Ny apostoly Jaona dia nampahafantatra ny toetra ankasitrahan’Andriamanitra raha nanoratra hoe: 
« Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. » (1 Jao 5:3)

Mitovy ny fiaraha-miangona fanao amin’ny Sabata sy amin’ireo Fotoam-pivavahana notendren’i Jehovah isan-taona

Nambaran’Andriamanitra tamin’ireo Kristiana voalohany ny fitovian’izay atao amin’ny fiaraha-miangona fanao amin’ny Sabata sy amin’ireo Fotoam-pivavahana notendreny isan-taona:

(Heb 10:23-25) « aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana); »
« ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; »
« aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro. »

Fotoana tsara indrindra hifampaherezana sy hifaporisihan’ny mpino ny Andro Firavoravoana satria manambara ny Planin’Andriamanitra ho famonjena ny olombelona rehetra, sady Sabata lehibe izany! (Jao 19:31c).

Rehefa miombom-bavaka amin’ireo andro fivoriana masina isan-taona ireo isika, dia manana fotoana hianarana bebe kokoa momba ny Planin’Andriamanitra amin’ny famonjena.

Ny Fiangonana voalohany dia nanohy nitandrina ireo andro fety isan-taona ireo araka izany fitsipika izany ihany, saingy miampy fahalalana ny hevi-panahiny bebe kokoa (Asa 2; 1 Kor 5:6-8). 

Nitory koa izy ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanomezana ny Fanahy Masina ho an’ny olona izay mino. 

Nampianariny koa ny famonjena sy fanasitranana ary famahana olana ataon’i Jesosy Kristy Izay efa any an-kavanan’ny Ray any an-danitra. Nohazavainy ny hevi-panahin’ireo Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, toy izao hita manaraka izao.

ü Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany

« Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. » (Asa 2:1)
« Ary nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: » (Asa 2:14)
« Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe: » (Asa 2:16) « Amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny zatovonareo hahita fahitana, ary ny lahiantitrareo hanonofy; »
(Asa 2:17) « Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, ka dia haminany izy; »
(Asa 2:18) « Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra. » (Asa 2:32)
« Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. » (Asa 2:33)
« Koa aoka ho fantatry ny taranak'Israely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. » (Asa 2:36)
« Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? » (Asa 2:37)
« Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asa 2:38)

ü  Toriteny nataon’i Paoly tamin’ny fety Fihinanana Mofo Tsy Misy msirasira

« Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? » (1 Kor 5:6)
« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Kor 5:7)
« ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. » (1 Kor 5:8)

Ireo andro vatokana ireo dia natao hifalian’ny fianakaviana rehetra—izay rehetra manatrika! Tsindrina manokana ny amin’ny Fetin’ny Tabernakely, izay misy fotoana betsaka ho an’ny fianakaviana tsirairay, sy fotoana hialam-boly; ao koa firavoravoana noho ny fahalalana ara-panahy izay ampahafantarin’Andriamanitra.

Mba tena hifaliana tsara amin’ny fankalazana ny Andro Firavoravoan’i Jehovah, dia tsy tokony hanao ny asa fanao an-davanandro isika: mitsahatra toy ny fanao amin’ny Sabata, andro fahafito (Lev 23:3, 7-8, 21, 25, 35-36).

Fanamarihana:

Mariho fa na dia miteraka asa aza ny fikarakarana sakafo hohanina amin’ny andro firavoravoana, dia ambaran’i Jehovah fa azo atao tsara izany. Nefa na izany aza, mandritra ny Andro Fanavotanaatsahatra ny asa rehetraao anatin’izany ny fandrahoan-tsakafo, fa atao mialoha izany (and 28, 30-31).

 

Maneho fankatoavana sy fanarahana ny didin’Andriamanitra koa isika amin’ny fandaminam-potoana any amin’ny toeram-piasana mba hahazoantsika mitandrina ny Andro Firavoravoana.

Rehefa alamina tsara sy dinihina amim-panajana miaraka amin’ny mpampiasa ny fotoana dia afaka manatrika tsara ireo andro ireo ny ankabeazan’ny mpino.

Andraikitsika ny mampiasa fahendrena sy faharetana rehefa mampahafantatra ny ankohonana izay fanapahan-kevitsika hitandrina ny andro firavoravoana.

 

Faharoa: Famintinana Ireo Andro Firavoravoana Isan-Taona

 

Ny fanarahana didin’Andriamanitra dia araka ny finoana. Hoy Paoly: « fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana; » (2 Kor 5:7)

Araka izany dia zava-dehibe amintsika ny manomboka mitandrina ny Andro Masin’Andriamanitra rehefa mianatra momba azy ireo. Na dia tsy mbola mahazo ny zava-drehetra aza isika eo am-boalohany, dia hianatra zavatra betsaka kokoa rehefa tena manomboka mitandrina azy.

 

Fotoam-pifaliana ho an’ny zanak’Andriamanitra ny andro firavoravoana fanao isan-taona; tsy noho ny heviny ihany, fa noho ny fanantenana entiny ho an’ny olon-drehetra.

 Ny fitandremana ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah dia mampahatsiaro antsika ny fitiavan-dehibe omen’Andriamanitra ny olombelona

Ny fivavahana amin’ireo andro ireo dia fifaliana sy fahafinaretana. Tena fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olony marina tokoa ireo. Ny dingam-pamonjena harahin’izay maniry ho voaloham-bokatra ara-panahy miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia hazavaina ao amin’ny Fetin’ny Paska hatramin’ny Fetin’ny Tabernakely

Ireo tsy nanana anjara tamin’ny fitsanganana voalohany kosa dia amin’ny fitsanganana faharoa vao hahafantatra ny Planin’ny Famonjena sy Jesosy Kristy Mpamonjy ary Andriamanitra marina. Ireo izay mino sy mankatò dia hovonjena; fa izay tsy mino sy mandà kosa dia holevonina mandrakizay any amin’ny farihy afo.

Famintinana ny hevitry ny Andro Firavoravoana rehetra

Ny Paska dia manamarika ny nahafatesan’i Kristy, ho famonjena antsika.

Ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira, manamarika ny fivoahantsika amin’ny ota.
Ny Pentekosta, manambara ny fandraisantsika ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra.
Ny Fetin’ny Trompetra, manambara ny fivererenan’i Kristy hamonjy ny olombelona tsy ho fongotra noho ny ataony ihany, ary koa handray ireo olo-masina, voaloham-bokatry ny Fanahy nomena fiainana mandrakizay, ary hamerina ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.
Ny Andro Fanavotana, manambara izay hitranga amin’i Satana sy ny devoly namany aorian’ny fiavian’i Kristy indray.
Ny Fetin’ny Tabernakely: manambara ny Fanjakana arivo taona, fotoam-piadanana mahagaga manerana izao tontolo izao, andro famelombelomana andrasana sady tanjona antenain’ny Kristiana.
Ny Andro Lehibe Farany : Fitsanganana faharoa, fotoana zato taona ahazoana mianatra sy mahafantatra tanteraka an’Andriamanitra marina sy mankatò ny lalàny.

Inona no hitranga aorian’ny Milenioma na Fanjakana arivo taona?

 Fitsanganana faharoa, arahin’ny fahafatesana faharoa ho an’izay rehetra tsy nibebaka mihitsy, sy fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra mino, ary lanitra vaovao sy ny tany vaovao.

Amin’izao fotoana fanombohan’ny andro farany izao, dia mety amintsika ny miezaka hanana toetra tsara mendrika ny fitsanganana voalohany mba ho isan’ny voaloham-bokatra ao amin’ny Planin’Andriamanitra ho famonjena. Io Planina io dia efa namboariny hatrany am-piandohana ary nomaniny ho mandrakizay.

Fahatelo: Ahoana ny Amin’ny Firavoravoan’ny Sabata?

Nahoana Andriamanitra no nandidy ny fitandremana ny Sabata isan-kerinandro ho isan’ny didy folo? Ary nahoana io didy io no tsy ekena saika manerana izao tontolo izao? Ny antony betsaka mahatonga ny olona tsy hitandrina ny Sabata, dia noho ny tsy fahazoana sy tsy fampiharana ny Didy Folon’Andriamanitra manao hoe: 
“Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy” (Eks 20:8). 
Betsaka no mijery ny Sabata ho toy ny “zavatra tonta mahafinaritra” teo amin’ny tantara, angamba fomba fijery tamin’ny fotoana iray taloha, tsy mahazatra intsony amin’izao andro ankehitriny feno fahasahiranana izao.

Misy mino fa ny Alahady no Sabata; ary rehefa mandany ora iray na roa ao am-piangonana dia mahafeno izay lazain’ny Didy Fahefatra. Ny sasany kosa mino fa efa nofoanan’i Jesosy Kristy ny Sabata, ary nosoloina andro fitsaharana manokana, araka izay fidin’ny tsirairay ho masina hanompoany an’Andriamanitra. Betsaka no mino fa ny Apostoly Paoly na ny Fiangonana voalohany dia nanova ny Sabata ho Alahady.

Fanontaniana:

Nahoana anefa Andriamanitra no nandidy andro fitsaharana iray isan-kerinandro? Manana tanjona amin’izany ve Izy? Raha eny, inona izany tanjona izany? Nahoana no misy fifangaroana toy izany amin’ny didy iray ao amin’ireo Didy 10 fototra sy lalàna nomen’Andriamanitra hitarihana ny olombelona? Nahoana no misy fifanipahana mafy toy izany amin’ny didy iray, fa toa mifanaraka sy tsy mifanditra kosa ny ankabeazan’ny olona, ao anatin’izany ny filoham-pivavahana sy ny fiangonana tarihiny amin’ny Didy sivy hafa?

Mila fantarina avokoa ny valin’ireo fanontaniana lehibe ireo. 
Raha tianao, vakio ny boky momba ny Sabata, izay azonao angatahana maimaimpoana aminay.

 

Fahefatra: Ny Farihy Afo na Helo sy ny Fahafatesana faharoa

Aorian’ny fitsarana farany no hisy ny fahafatesana faharoa

Midika izany fa aorian’ny fitsanganana faharoa no hitranga izany, izany hoe, aorian’ny Fanjakana 1000 Taona.

« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apo 21:8)
« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:13)

Fahafatesana mandrakizay ny fahafatesana faharoa

Ny fahafatesana faharoa dia fahafatesana mandrakizay, tsy misy fitsanganana intsony. 

Olona nofo aman-drà ireo dorana any ireo, ka holevon’ny afo!

Aorian’ny Fanjakana Arivo Taona no hanadiovana ny tarehin’ny tany amin’ny afo. « Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Pet 3:10).
Ireo fahavalon’i Kristy roalahy (Satana sy ny mpaminany sandoka) sy ireo olona tsy nety nibebaka mihitsy dia hatsipy any amin’ny farihy afo amin’ny fiverenan’i Kristy.

« Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. » (Apo 19:20) « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. » (Apo 20:15)

Ho levon’ny afo toy ny lavenona ireo olona tsy nibebaka ireo

« Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. » (Mal 3:19) 
« Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; [Heb. elany] » (Mal 3:20) 
« ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Mal 3:21)

Hatsipy any amin’ny farihy afo ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita

 

« Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:14)

Izao no hevitr’izany: Ireo olona tsy nibebaka fa nandà an’Andriamanitra ihany no olona mety maty halefa ao anatin’io afo io mandritry ny fitsanganana faharoa. Noho izany, dia hitsahatra tsy hisy intsony ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita rehefa tapitra nirehitra ireo mety maty tsy nibebaka ireo!

Ahoana ny amin’i Satana sy ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka?

« Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo. » (Apo 20:10) Satana dia fanahy, ary tsy levon’ny afo na mandre maharary sy mijaly amin’ny maha ao anaty afo azy. Fantatsika koa fa tsy hirehitra mandrakizay ny afo rehefa levona izay olona sy “kitay” mampirehitra azy. 
Ny fahoriam-panahy no hanjò an’i Satana mandrakizay satria tsy hahita olona hofitahiny sy hampijaliany intsony, sady very maina ny ezaka nataony nandritry ny taona arivony maro!
Ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka kosa dia tsy mijaly ao amin’ny afo mandrakizay fa may sy levona mandakizay izy ireo.

Fahadimy : Ny Lanitra Vaovao sy ny Tany Vaovao

 (1) Inona no zavatra hitranga manaraka rehefa voadio tamin’ny afo ny Tany ? 

Apo 21:1. « [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. »

Fanamarihana: Ny teny izay voasoratra ao amin’ny Apo 21:1, dia milaza fa tsy mila ranomasina hanohana ny fiainana fizika intsony ny Tany Vaovao sy ny Lanitra Vaovao. “Olona” araka ny fanahy ihany no honina eto an-tany amin’izany fotoana izany.

(2) Amin’izany fotoana izany, hidina eto an-tany va ny seza fiandrianan’Andriamanitra izay any amin’ny lanitra fahatelo ankehitriny, ary honina eto an-tany va Andriamanitra Ray ? 

Apo. 21: 2-3.

« Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (Apo 21:2) 
« Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin' Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » (Apo 21:3)

« Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. » (Apo 21:4) 
« Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.
Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. » (Apo 21:5)
(3) Voalaza any amin’ny toeran-kafa ao amin’ny Baiboly ankoatry ny boky Apokalypsy koa va ny amin’ny Tany Vaovao sy ny Lanitra Vaovao ? Isa. 65: 17-19; 66: 22; 2Pet 3: 13.

« Fa, indro, Izaho mahary Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. » (Isa 65:17) « Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. » (Isa 65:18) « Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina. » (Isa 65:19) « Fa tahaka ny Lanitra Vaovao sy ny Tany Vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo. » (Isa 66:22)

« Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. » (2 Pet 3:13)

(4) Toy inona no refin’ny Tanàna Masina, dia Jerosalema Vaovao izay midina avy any an-danitra ? Apo. 21: 12-17.

« ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin'ny folo izy, ary eo amin'ny vavahady dia misy anjely roa ambin'ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an'ny firenena roa ambin'ny folo amin'ny Zanak'Isiraely; » (Apo 21:12) « eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo. » (Apo 21:13) « Ary ny màndan'ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin'ny folo, ary misy anarana roa ambin'ny folo koa eo, dia ny an'ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry. » (Apo 21:14) « Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany. » (Apo 21:15) « Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony. » (Apo 21:16) « Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin'ny olona, dia ny an'ny anjely. » (Apo 21:17)

Fanamarihana: 

Ny refin’ny lafiny iray dia 12000 stadio, izany hoe 1500 maily na 2778 km (1 maily = 1852 m). Mihoatra ny halavan’i Madasikara manelanelana ny tendrony roa antsimo sy avaratra ny lavany sy ny sakany ary ny haavon’ny Tanàna.
Ny andininy faha 16 dia milaza fa mitovy ny halavany sy ny sakany ary ny haavony, izany hoe toy ny kioba goavam-be io tanana io.

FAMINTINANA : 

Araka ny fanampiana sy fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra antsika amin’ny zavatra nataony ho masina sady miafina, isika dia tokony hifantoka amin’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao izay hotanterahin’Andriamanitra.
Izao no voasoratra
« Isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza. » (1 Kor 2:10)  « Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. » (2 Pet 3:13)