Lalàna mandrakizay ny fanamasinana ny andro firavoravoan'i Jehovah

Lalàna Mandrakizay ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah

 (Lev 23:1, 2, 4, 37) 1« Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » 2« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » 4« Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy: » 37 « Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina … samy amin'ny fotoany avy izy rehetra, »

Nohamafisin’i Jehovah in-telo ny fandidiana izany.

  • Natao ho an’iza ary ny Fotoa-pivavahana notendren’i Jehovah?
  • Ho an’Isiraely ara-nofo ihany ve, izay nasainy nitandrina azy mandrakizay?
  • Sa natao ho antsika Isiraely ara-panahy indrindra (zaranak’i Abrahama koa, Gal 3:27-29; Rom 4:16)?
  • Inona avy tamin’ny Zanak’Israely ara-nofo no lovaintsika Isiraely ara-panahy?
  • Inona no ataon’i Jehovah izay manatrika ireo Fotoam-pivavahana notendreny?
  • Mbola manankery ve ankehitriny ny fitandremana azy ireo amin’ny fotoany avy?
  • Sa tsy ilaina satria “aloka fa tsy tena izy”?
  • Mirakitra inona moa izy ireo?
  • Raha Jesosy Mpamonjy no manatanteraka izay raketiny, moa tsy misy andraikitra takiana amin’ny olona izay hovonjena ve?
  • Tsy hampianatra azy ireo koa va ny olom-boafidy amin’ny Fanjakana arivo taona? (Zak 14:1-4, 16-19).

 « Andramo ka izahao fa tsara Jehovah! » (Sal 34:8) Raha hanandrana Azy ihany, ahoana ireo Andro Masina nodidiany ho mandrakizay?

Hoy Jesosy, nanome tsiny ny mpitondra fiangonana tamin’ny androny: « Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo? » (Mar 7:9). 

Mariho tsara io tsikera nataon’i Jesosy io ! Mihatra indrindra amin’ny fitandremana ireo Fotoam-pivavahana notendren’i Jehovah ho masina io. Izany tokoa, satria tsy misy olona mahay manompo tompo roa, afaka sady hitandrina ireo fety nampidirina ao am-piangonana avy tamin’ny lovantsofina, no hanao izany koa amin’ireo Andro masina nodidian’i Jehovah ao amin’ny Baiboly, izay notandreman’i Jesosy sy ny fiangonana apostolika.

Tsy maintsy MISAFIDY isika! Diniho tsara ny lanjan’ny fandidiana in-3 hoe « Fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy » (Lev 23), izay mitantara ny dingana rehetra amin’ny Planin’Andrianamitra hamonjena ny olombelona ho tafiditra ao amin’ny Fanjakany eto an-tany. Tsy maintsy misafidy isika na hanaraka an’i Kristy sy ireo apostoly voalohany, amin’ny fitandremana ireo dingam-pamonjena ireo, na “hanamasina” fotoana hafa araka izay heverintsika!