Lalàna Fanamasinana ireo fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah

Lalàna Fanamasinana ireo fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah


 Nataon’i Jehovah hantsoina ho fivoriana masina ary ho tsarovana mandrakizay ireo Andro Firavoravoana voatendriny

Ireo mpitondra fiangonana tamin’ny androny dia nomen'i Jesosy tsiny; ka nilaza taminy toy izao indrindra Izy: « Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo? » (Mar 7:9). 

Io tsikera nataon’i Jesosy io dia mihatra amin’ny fitandremana ireo Fotoam-pivavahana notendren’i Jehovah ho masina. Marina tokoa izany satria tsy misy olona sady ho afaka hitandrina ireo fety nampidirina tao am-piangonana avy tamin’ny lovantsofina, no hitandrina koa ireo Andro masina nodidian’i Jehovah ao amin’ny Baiboly. I Jesosy Kristy sy ny fiangonana apostolika dia nitandrina fatratra ireo Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah rehetra. Mavesa-danja eo amin’i Jehovah ireo Andro Firavoravoana tsirairay avy; ka izany indrindra no nahatonga Azy namerina in-telo ny teny hoe:

« Fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy »

Izany teny izany dia hita ao amin’ny Levitikosy 23, sady asainy tandremana mandrakizay: (Lev 12:14, 17 ; 31:13 ; Nom 15:15, 23, 29). 


Mitantara ny dingana rehetra amin’ny Planin’Andriamanitra hamonjeny ny olona mba hahatafidirany ao amin’ny Fanjakan' Andriamanitra eto an-tany ny Andro Firavoravoana voatendry.

Noho izany, tsy maintsy tandremana avokoa izy ireny mandram-pahatanteraky ny dingam-pamonjena ambarany amin’ny fiverenan’i Kristy sy aorian’izany.


Isika izay voaloham-bokatra koa dia hampianatra ny Jentilisa hitandrina ny Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah, ary hiandry azy ireo amin'ny tehim-by mandritra ny Fanjakana arivo taona. 


Ny lalàn’i Jehovah dia tsy misy miova mandrakizay

Ny anton'izany dia satria  (Eks 13:3; Sal 2:8-9; Mat 5:18; 26:29; Apo 2:26-27; 19:15; Zak 14:16).

« Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoanan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory ny amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak' izy rehetra. » (Mat 5:18)

Ny zava-marina voalazan’ny mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha dia avy amin’Andriamanitra. Tao an-tendrombohitra Sinay dia nomeny an’i Mosesy ny Fahamarinana, mba hotehirizin’ny Zanak’Isiraely hatramin’ny taranaka fara-mandimby, ary koa mba homena antsika Kristiana aty amin’ny Testamenta Vaovao

Ireo zava-marina ireo dia: 

  • ny Sabata isan-kerinandro
  • ny Sabata lehibe
  • ny Fety fito isan-taona,
  • ary ny Tetiandro masina (calendrier sacré). 

Ny teny hoe Sabata dia midika hoe andro fitsaharana sy fivoriana masina, fa ny Fety kosa dia firavoravoana. Izao no nampanoratina ny Apostoly ao amin’ny Testamenta Vaovao:

« Mosesy nilaza tamin'ny Zanak' Isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy, (Deo 18:15) », (Asa 7:37). « Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika. » (Asa 7:38)

 Koa tsy maintsy misafidy isika na hanaraka an’i Kristy sy ireo apostoly voalohany, amin’ny fampianarana ireo dingam-pamonjena ireo, na hanamasina fotoana hafa araka izay heverintsika!

« Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho Lalàna mandrakizay. » (Eks 12:14)

Dingana amin’ny Planin’ny Famonjena

Raha mahatsapa isika fa tena fototry ny aim-panahin’ny olombelona ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, satria dingana amin’ny Planin’ny Famonjena, sady azo ampiharina tsara amin’izao androntsika izao, dia tiantsika hianarana ny fomba fitandremana azy ankehitriny.

·         Aiza no tsy maintsy ankalazana azy?

·         Any an-tokatrano ve sa any am-piangonana?

·         Inona no tsy maintsy atao amin’ireo andro ireo? 

·         Eken’Andriamanitra ve ny iasana toy ny an-davanandro, sa tsy maintsy mitsahatra, ka manao fanompoam-pivavahana?

·         Inona no ho vokatry ny fitandremantsika azy ireo amin’ny fiainam-pianakaviana sy ny asa aman-draharaha?

 

Fanontaniana mavesa-danja avokoa ireo, izay tsy maintsy itadiavam-baliny raha hianatra ny fitandremana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin’i Jehovah. Andeha hodinihintsika ny foto-kevitra ara-Baiboly sasany izay tsy maintsy hajaina eo am-pitandremana ireo andro fototry ny aim-panahintsika ireo.

 

Ny sasany amin’ireo Fotoam-pivavahana ireo dia

https://i.pinimg.com/236x/30/7e/3d/307e3db81fb5998ce8b4d7f5d4b9e776.jpg

manondro fomba fitandremana azy miavaka amin’ny hafa. 

https://i.pinimg.com/236x/95/a7/74/95a7742c614a38d914dd2d1e1f865665.jpg

·         Ohatra, ny Pasaka irery no mampiasa mofo sy divay hanambarana ny nahafatesan’i Kristy. 

·         Ny andro Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira irery no andidian’i Jehovah fanesorana ny masirasira na leviora tao an-tokatrano. 

·         Ny Fanisana 50 andro no mampiavaka ny Pentekosta. 

·         Fampilazana ady sy Fiverenan’i Kristy, ary Fanagonana ny Olom-boavonjy no mampivohitra ny Fety Fitsofana Trompetra. 

·         Ny Andro Fanavotana kosa dia miavaka noho ny fifadiana rano sy sakafo mandritry ny 24 ora. 

·         Ny Fitoerana amin’ny Trano Rantsan-kazo dia ipetrahana amin’ny toerana tsy maharitra. 

·         Ny Fara-Fivoriana dia tandremana miaraka amin’ny Trano Rantsan-kazo.

Ny tena fitandremana ireo andro ireo dia miaraka amin’ny fankatoavana ireo mampiavaka azy ireo, izay natao hampianarana lesona ara-panahy ho antsika.

Lalàna mandrakizay ireo

Amin’ny ankapobeny anefa, misy fitsipika itovizan’ny Fotoam-pivavahana rehetra.

·  Voalohany, tsy maintsy tadidina fa masina eo anatrehan’i Jehovah izy ireo. Ireo dia « fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, » (Lev 23:2)

·  Faharoa sy fahatelo ary fahefatratorina sy ampianarina, ary ampiharina ny hevi-panahin’ny dingana lalovana amin’ny fotoana itandremana azy. Jehovah manatrika sy manampy mba hahatanteraka izay ilaina, sy hamaha ny olana, ary handresy ny fahavalo.

·         Ny fiainana an’ireo rehetra ireo no atao hoe Fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra, sy Fitafiana an’i Jesosy Kristy, ary Fitafiana ny fiadian’Andriamanitra rehetra.

 Ohatra maneho fa mitahy sy mamonjy ny Zanak'Isiraely mitandrina ny lalàny Jehovah:

 ·         Jehovah niaro ny Zanak’Isiraely tsy ho faty tamin’ny Paska voalohany tany Egypta, fa nandringana ny fahavalo (14 Abiba na Nisana; Eks 12:1-19)

·         Nitantana sy niaro ary namonjy azy ireo Izy (nandringana ny fahavalo endriky ny ota sy Satana) nandritry ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira voalohany (15-21 Abiba; Eks 12:51; 13:1-10)

·         Nanome sy nampianatra ny Didy folo ary nanamasina ny Zanak’Isiraely Izy tamin’ny Fetin’ny Pentekosta voalohany teo an-tendrombohitra Sinay (50 andro taorian’ny nivoahana avy any Egypta; Eks 19:1-25); sns…

Mosesy dia feno ny voninahitr’ Andriamanitra sady feno ny Fanahy Masina ary manana ny Teny Vavolombelona, dia ireo Didy Folon’Andriamanitra, izay hampianarina sy ho enti-mitandrina ny olony raha nidina fanindroany avy any an-tendrombohitra, avy tany amin’i Jehovah, ka nanantona ny vahoakan’Andriamanitra sy nampianatra azy (Eks 34:29-35).

 Fotoan’ny Fetin’ny Tabernakely voalohany tany an’efitra io, endriky ny fiverenan’i Jesosy Kristy eto an-tany fanindroany amim-boninahitra, amin’ny Fanjakana arivo taona.


Nitandrina ireo Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah i Kristy.

·         Jesosy Zanak’Andriamanitra dia nitandrina mandrakariva ny Paska niaraka tamin’ny fianakaviany fony Izy mbola zaza (Lio 2:40-41).

·         Nitandrina ny Fety Fihinana Mofo Tsy Misy Masirasira koa Izy (Lio 2:43).

·         Nitandrina ny Paska koa Izy rehefa lehibe, hatramin’ny Fety natrehiny farany talohan’ny namonoana Azy (Lio 22:7-8, 15).

·         Nitandrina ny Fetin’ny Tabernakely koa Izy, sady nampianatra ny olona (Jao 7:8-14).

·         Nitandrina ny Fety Fara-fivoriana sy nampianatra toy izany koa (Jao 7:37).

·         Nanome ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta nanorenany ny Fiangonana Kristiana voalohany Izy (Asa 2).

Nitandrina ireo Andro Firavoravoana voatendry koa ny Fiangonana Apostolika.

Ny Fiangonana apostolika voalohany nitandrina ny Fetin’ny Pentekosta (Asa 2; Asa 20:16).

·         Paoly dia nitandrina sy nampianatra ny amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira (1Kor 5:7-8)

·         Nitandrina ny Pentekosta koa izy (1Kor 16:8-9) 

·         Petera dia nitandrina ny Fetin’ny Tabernakely, nanasitrana marary sy nitory teny momba ny famonjen’i Kristy, sy ny hiverenany hitondra fiadanana amin’ny Fanjakana arivo taona (andro famelombelomana) (Asa 3:1-7, 19-21).

 Andriamanitra irery no afaka manokan-javatra ho masina ho Azy

 Jehovah no nametraka ireo andro voatokana ireo amin’ny toerana ambony kokoa noho izay fankalazana noforonin’olombelona rehetra. 

Ny lehilahy sy ny vehivavy dia afaka manokana fotoana ho an’Andriamanitra noho ny zava-kendreny; fa Andriamanitra irery no afaka manokana fotoana masina ho Azy. (Gen 2:3; Eks 20:8, 11; Lev 23:2, 4, 37). 
Rehefa mampiseho fankatoavana marina sy mankafỳ ireo andro voatokana isan-taona ireo isika, dia manome haja sy voninahitra an’Andriamanitra, satria manaiky ny fahefany eo amin’ny fiainantsika. 
Ny fahatakarana izany fitsipika izany dia zava-dehibe raha hivavaka marina amin’Andriamanitra, araka izay nolazainy hoe:

 « Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. » (Gen 2:3)

« Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. » (Eks 20:8) « Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. » (Eks 20:11)