Ny Paska amin'ny Volana Faharoa

 Ny Paskan'i Jehovah dia tandremana amin'ny faha-14 ny volana Abiba, volana voalohany amin'ny taonan'i Jehovah. Io lalàna io koa dia araka izay efa voarakitra ao amin'ny Levitikosy 23.

 « [Ny nitandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska tany an-efitr'i Sinay] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: » (Nomery 9:1)
« Aoka hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska amin'ny fotoany. » (Nomery 9:2)
« Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity no hitandremanareo azy amin'ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy. » (Nomery 9:3)
« Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely mba hitandrina ny Paska. » (Nomery 9:4)
« Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely. » (Nomery 9:5)

Inona avy no antony mety tsy nahafahan'ny olona nitandrina ny Paska tamin'ny volana voalohany?

 Nefa, raha misy olona tsy afaka nitandrina izany, noho ny antony tsy azo nialana, dia hitandrina ny Paska amin'ny faha-14 ny volana Lyar, volana faharoa izy.

Ireto avy no antony mety ho mahatonga ny olona ho tsy afaka nitandrina ny Paska tamin'ny volana voalohany:

  • Antony voalohany: naloto tamim-paty izy ka tsy afaka nitandrina ny Paskan'i Jehovah

« Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin'izany andro izany; dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany andro izany » (Nomery 9:6)
« ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany? » (Nomery 9:7)
« Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo. » (Nomery 9:8)
« Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Nomery 9:9)

  • Antony faharoa: nandeha nivahiny tany an-tany lavitra izy ka tsy afaka niverina nitandrina ny Paskan'i Jehovah tamin'ny volana voalohany.
« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah ihany koa izy. » (Nomery 9:10)

Oviana àry no hitandreman'izy ireo ny Paska?

Ny Paska faharoa dia tandremana amin'ny faha-14 ny volana faharoa araka ny fanisam-potoana masin'i Jehovah (calendrier sacré de Dieu). Ny volana Ziva no volana faharoa; ary antsoina koa hoe volana Lyar io volana faharoa io.

Mitovy amin'ny fomba fitandremana ny Paska amin'ny volana voalohany ihany ny fomba hitandremana ny Paska amin'ny volana faharoa. Izany hoe, tandremana ny hariva mialoha rehefmaty ny masoandro, ary misy fivoriana masina, fifanasan-tongotra, ary fandraisana fanasan'ny Tompo.

« Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy. » (Nomery 9:11)
« Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin'ny Paska ihany koa no hitandremany azy. » (Nomery 9:12)

Nahoana no tsy maintsy mitandrina ny Paska isika?

Ny olona izay tsy mety mitandrina ny Paska amin'ny fotoana voatendrin'i Jehovah dia hofongorana tokoa:

« Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany. » (Nomery 9:13)

Afaka mitandrina ny Paska koa ve ny vahiny?

Eny tokoa, toy izao no voalazan'i Jehovah momba izany:

« Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin'ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany. » (Nomery 9:14)